2 Petera 1:9-14 Malagasy Bible (MG1865)

9. Fa izay tsy manana izany zavatra izany kosa dia toa jamba ka tsy mahajery lavitra, sady nanadino ny nanadiovana azy tamin'ny fahotany voalohany izy.

10. Ary amin'izany dia mazotoa kokoa, ry rahalahy, hampitoetra ny fiantsoana sy ny fifidianana anareo; fa raha manao izany zavatra izany ianareo, dia tsy ho tafintohina akory mandrakizay;

11. fa toy izany no hanomezana malalaka ho anareo ny fidirana ho any amin'ny fanjakana mandrakizay, izay an'i Jesosy Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy antsika.

12. Koa hazoto mandrakariva hampahatsiaro anareo ny amin'izany zavatra izany aho, na dia efa fantatrareo aza, ka efa naorina tsara amin'ny fahamarinana izay efa eo aminareo.

13. Fa raha mbola eto amin'ity trano-lay ity aho, dia ataoko fa mety ny hampifoha anareo amin'ny fampahatsiarovana anareo,

14. satria fantatro fa ho avy tampoka ny hanesorana ny trano-laiko, dia toy ny nasehon'i Jesosy Kristy Tompontsika tamiko koa.

2 Petera 1