2 Mpanjaka 9:5-12 Malagasy Bible (MG1865)

5. Ary nony mby tany izy, indreo, nipetraka teo ny mpifehy ny miaramila; ary hoy izy: Ry komandy ô, mitondra teny ho aminao aho. Ary hoy Jeho: Amin'iza aminay ireto moa? Ary hoy izy: Aminao, ry komandy ô.

6. Ary nitsangana izy ka niditra tao an-trano, dia naidiny tamin'ny lohany ny diloilo; ary hoy izy taminy: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Efa nanosotra anao Aho ho mpanjakan'ny Isiraely oloko.

7. Ary hamely ny tamingan'i Ahaba tomponao ianao, mba hampanodiaviko an'i Jezebela ny ran'ny mpaminany mpanompoko sy ny ran'ny mpanompon'i Jehovah rehetra.

8. Eny, ho fongotra ny taranak'i Ahaba rehetra; ary haringako avokoa ny lehilahy rehetra amin'ny tamingany, na ny voahazona na ny afaka eo amin'ny Isiraely;

9. Ary ny taranak'i Ahaba hataoko tahaka ny taranak'i Jeroboama, zanak'i Nebata, sy tahaka ny taranak'i Basa, zanak'i Ahia;

10. Ary Jezebela hohanin'ny alika ao amin'ny tany Jezirela, ka tsy hisy handevina azy. Dia namoha ny varavarana ilay zatovo ka lasa nandositra.

11. Ary Jeho nivoaka nankao amin'ny mpanompon'ny tompony ary nanontaniany hoe: Raharaha tsara ihany va? Inona no nalehan'iny ilay adala iny tao aminao? Ary hoy izy taminy: Hianareo mahalala ihany an-dralehilahy sy ny heviny.

12. Fa hoy ireo: Lainga foana izany; fa ambarao aminay. Dia hoy izy: Izao ka izao no nolazainy tamiko: Izao ny lazain'i Jehovah: Efa nanosotra anao ho mpanjakan'ny Isiraely Aho.

2 Mpanjaka 9