2 Mpanjaka 7:1-2 Malagasy Bible (MG1865)

1. Fa hoy kosa Elisa: Mihainoa ny tenin'i Jehovah ianareo: Izao no lazain'i Jehovah: Rahampitso toy izao dia ho sekely iray ny vidin'ny koba tsara toto eran'ny famarana, ary ho sekely iray koa ny vidin'ny vary hordea indroan'ny famarana ao am-bavahadin'i Samaria.

2. Fa namaly ny lehilahin'Andriamanitra ilay mpanafika malaza izay nitehenan'ny mpanjaka tamin'ny tànany ka nanao hoe: Indro, na dia hanao varavarankely amin'ny lanitra aza Jehovah, dia hisy izany zavatra izany va? Ary hoy Elisa: Indro, ho hitan'ny masonao indrindra izany, nefa tsy mba hihinananao.

2 Mpanjaka 7