2 Mpanjaka 5:9-13 Malagasy Bible (MG1865)

9. Ary dia nandeha Namàna nitondra ny soavaliny sy ny kalesiny ka nijanona teo am-baravaran'ny tranon'i Elisa.

10. Ary Elisa naniraka olona tany aminy hilaza hoe: Mandehana, mandroa impito ao Jordana, dia hody aminao indray ny nofonao, ka hadio ianao.

11. Fa tezitra Namàna, dia lasa ka nanao hoe: Indro, nataoko fa hivoaka hankatỳ amiko mihitsy izy ka hitsangana ary hiantso ny anaran'i Jehovah Andriamaniny sady hanevaheva ny tànany eo ambonin'ny aretina ka hahasitrana ny boka.

12. Tsy tsara noho ny ranon'ny Isiraely rehetra va Abana sy Farpara, onin'i Damaskosy? Tsy mahazo mandro ao amin'ireo va aho ka hadio? Dia nihodina izy ka lasa an-katezerana.

13. Dia nanatona ny mpanompony ka niteny taminy hoe: Ry ikaky ô, na dia zavatra lehibe aza no nasain'ny mpaminany ho nataonao, moa tsy mba ho nataonao va izany? koa mainka va, raha hoy izy aminao: Mandroa, dia hadio ianao?

2 Mpanjaka 5