2 Mpanjaka 4:24-43 Malagasy Bible (MG1865)

24. Ary ravehivavy dia nanisy lasely ny borikivavy, ka hoy izy tamin'ny zatovony: Ampandehano, izy ka mizora; aza miahotrahotra akory amin'ny fampandehananao azy, raha tsy ampijanoniko ianao.

25. Dia lasa ravehivavy nankany amin'ny lehilahin'Andriamanitra tany an-tendrombohitra Karmela. Ary raha vao tazan'ny lehilahin'Andriamanitra avy erỳ izy, dia hoy izy tamin'i Gehazy zatovony: Ilay Sonemita lahy iry;

26. masìna ianao, mihazakazaha hitsena azy, ka ataovy aminy hoe: Tsara ihany va ianao: Tsara ihany va ny vadinao? Tsara ihany va ny zazalahy? Ary hoy ny famaliny: Tsara ihany.

27. Ary rehefa tonga tany amin'ny lehilahin'Andriamanitra tany an-tendrombohitra izy, dia nandray ny tongony; fa Gehazy nanatona hampiala azy. Nefa hoy ny lehilahin'Andriamanitra: Avelao ihany izy, fa ory ny fanahiny ao anatiny, ary Jehovah efa nanafina izany tamiko, fa tsy nanambara tamiko.

28. Dia hoy ravehivavy: Moa naniry zaza taminao va aho, tompoko? Tsy hoy va aho: Aza mamitaka ahy?

29. Ary hoy izy tamin'i Gehazy: Misikina, ary ento eny an-tananao ny tehiko, ka mandehana, raha mifanena amin'olona ianao, aza miarahaba azy; ary raha misy miarahaba anao, aza mamaly azy akory; ary apetraho eo amin'ny tavan'ny zazalahy ny tehiko.

30. Ary hoy ny renin'ny zazalahy: Raha velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny ainao, dia tsy hiala aminao mihitsy aho. Ary ilay lehilahin'Andriamanitra nitsangana ka nanaraka azy.

31. Ary Gehazy nialoha azy ka nametraka ny tehina teo amin'ny tavan'ny zazalahy; fa tsy nisy feo na faharenesana. Dia niverina nitsena azy indray izy ka nilaza taminy hoe: Tsy mahatsiaro akory ny zazalahy.

32. Ary rehefa tonga tao an-trano Elisa, indro, maty ny zazalahy sady nampandrina teo am-pandriany.

33. Ary niditra izy, ka nirindrim-baravarana tao izy roa lahy, ary Elisa nivavaka tamin'i Jehovah.

34. Ary niakatra izy ka nandry niampatra tambonin'ny zazalahy, ka ny vavany nataony tamin'ny vavany, ary ny masony tamin'ny masony, ary ny tànany tamin'ny tànany, ka dia nafana ny tenan'ny zazalahy.

35. Dia niasa-dia tao an-trano izy ary niverina niampatra taminy indray; dia nievina impito ny zazalahy, ary nihiratra ny masony.

36. Ary Elisa niantso an'i Gehazy ka nanao hoe: Antsoy ilay Sonemita. Dia nantsoiny izy. Ary rehefa tafiditra tao aminy izy, dia hoy Elisa: Raiso ny zanakao.

37. Dia niditra ravehivavy ka niantoraka tamin'ny tongony sady niankohoka tamin'ny tany, dia nandray ny zanany izy ka lasa nivoaka.

38. Ary Elisa niverina nankany Gilgala; ary nisy mosary tamin'ny tany; ary ny zanakalahin'ny mpaminany nipetraka teo anatrehany, ka hoy izy tamin'ny zatovony: Ataovy eo an-tokoana ny vilany lehibe, ary mahandroa hanina ho an'ny zanakalahin'ny mpaminany.

39. Ary ny anankiray nivoaka tany an-tsaha hitsongo anana ka nahita voantangomboalavo maniry ho azy, dia nanangona voany iray trotroana avy amin'io; ary nony tonga izy, dia nosolatsolarany narotsany tao amin'ny vilany nisy ny hanina, fa tsy nisy nahafantatra.

40. Ka dia noloarany hohanin'ny olona izany. Ary raha mbola nihinana izy, dia nitaraina hoe: Ry lehilahin'Andriamanitra ô, misy mahafaty ao am-bilany. Ary tsy azony nohanina.

41. Fa hoy Elisa: Itondray koba. Dia narotsany tao am-bilany ny koba, ka hoy izy: Andoary amin'izao ny olona hohaniny. Ary dia tsy nisy zavatra nampaninona intsony tao am-bilany.

42. Ary nisy lehilahy avy tany Bala-salisa nitondra mofo avy amin'ny voaloham-bokatra ho an'ny lehilahin'Andriamanitra, dia mofo vary hordea roa-polo sy salohim-bary maitso tao an-kitapo. Dia hoy Elisa: Omeo ny olona hohaniny ireny.

43. Fa hoy kosa ny mpanompony: Hataoko ahoana no fametraka ity eo anoloan'ny zato lahy? Ary hoy indray Elisa: Omeo ihany ny olona hohaniny; fa izao no lazain'i Jehovah: Hihinana izy, ary mbola hisy sisa tsy lany.

2 Mpanjaka 4