2 Mpanjaka 25:1-2 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary tamin'ny andro fahafolo tamin'ny volana fahafolo tamin'ny taona fahasivy nanjakan'i Zedekia dia tonga Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, sy ny miaramilany rehetra hamely an'i Jerosalema indray ka nitoby tandrifiny; ary nanao tilikambo manodidina azy izy.

2. Ary nataony fahirano ny tanĂ na hatramin'ny taona fahiraika ambin'ny folo nanjakan'i Zedekia mpanjaka.

2 Mpanjaka 25