2. Ary Jehovah nampandeha ny miaramilan'ny Kaldeana sy ny miaramilan'ny Syriana sy ny miaramilan'i Moaba ary ny miaramilan'ny taranak'i Amona hiady aminy: dia nampandehaniny hiady amin'ny Joda ireo mba handrava azy araka ny tenin'i Jehovah, izay nampilazainy ny mpaminany mpanompony.
3. Dia araka ny tenin'i Jehovah ihany no nahatongavan'izany tamin'ny Joda, hanesorany azy tsy ho eo imasony noho ny fahotan'i Manase tahaka izay rehetra nataony
4. sy noho ny rà marina izay nalatsany koa; fa nofenoiny rà marina Jerosalema; koa izany no tsy netezan'i Jehovah hamela ny helony.
5. Ary ny tantaran'i Joiakima sisa mbamin'izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Joda va izany?
6. Ary Joiakima lasa nodimandry any amin'ny razany, ka Joiakina zanany no nanjaka nandimby azy.
7. Ary ny mpanjakan'i Egypta tsy nivoaka avy tany amin'ny taniny intsony; fa lasan'ny mpanjakan'i Babylona izay rehetra an'ny mpanjakan'i Egypta hatramin'ny lohasahan-driak'i Egypta ka hatramin'ny ony Eofrata.
8. Valo ambin'ny folo taona Joiakina, fony izy vao nanjaka, ary telo volana no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Nehosta, zanakavavin'i Elnatana, avy any Jerosalema.
9. Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy tahaka izay rehetra nataon-drainy.
10. Tamin'izany andro izany no niakaran'ny mpanompon'i Nebokadnezara. mpanjakan'i Babylona, hamely an'i Jerosalema, ary nataony fahirano ny tanàna.
11. Dia tonga koa Nebokadnezera, mpanjakan'i Babylona, hamely ny tanàna, raha mbola nanao fahirano azy ny mpanompony.
12. Ary Joiakina, mpanjakan'ny Joda, nivoaka nankany amin'ny mpanjakan'i Babylona, dia izy sy ny reniny ary ny mpanompony sy ny mpanapaka mbamin'ny tandapany; ary nentin'ny mpanjakan'i Babylona izy tamin'ny taona fahavalo nanjakany.
13. Ary navoakan'i Nebokadnezara avy tao ny rakitra rehetra tao an-tranon'i Jehovah sy tao an-tranon'ny mpanjaka, dia nendahany ny volamena rehetra izay nataon'i Solomona, mpanjakan'ny Isiraely, tao amin'ny tempolin'i Jehovah, araka izay nolazain'i Jehovah.
14. Ary nentiny ho babo ny tao Jerosalema rehetra sy ny mpanapaka rehetra sy ny lehilahy mahery rehetra, dia olona iray alina, mbamin'ny mahay tao-zavatra rehetra sy ny mpanefy koa, ka tsy nisy sisa navelany afa-tsy izay tompon-tany faraidina.