2 Mpanjaka 24:1-3 Malagasy Bible (MG1865)

1. Tamin'ny andro nanjakan'i Joiakima no niakaran'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, ary nanoa azy telo taona Joiakima, dia nivadika ka niodina taminy.

2. Ary Jehovah nampandeha ny miaramilan'ny Kaldeana sy ny miaramilan'ny Syriana sy ny miaramilan'i Moaba ary ny miaramilan'ny taranak'i Amona hiady aminy: dia nampandehaniny hiady amin'ny Joda ireo mba handrava azy araka ny tenin'i Jehovah, izay nampilazainy ny mpaminany mpanompony.

3. Dia araka ny tenin'i Jehovah ihany no nahatongavan'izany tamin'ny Joda, hanesorany azy tsy ho eo imasony noho ny fahotan'i Manase tahaka izay rehetra nataony

2 Mpanjaka 24