4. Miakara any amin'i Hilkia mpisoronabe, hanisany ny vola izay nampidirina ho ao an-tranon'i Jehovah, dia izay nangonin'ny mpiandry varavarana tamin'ny olona;
5. ary aoka hatolony ho eo an-tànan'ny mpanao raharaha izay voatendry ny amin'ny tranon'i Jehovah izany; ary aoka homen'ireo ho an'ny mpiasa izay ao an-tranon'i Jehovah hanamboarany ny simba amin'ny trano,
6. dia ho an'ny mpandrafitra sy ny mpandatsa-bato ary ny mpipaika, dia hividianana hazo sy vato voapaika hanamboarana ny trano.
7. Kanefa tsy nampamoahina ny amin'ny vola natolotra teo an-tànany ireo, fa nahatoky izy.
8. Dia hoy Hilkia mpisoronabe tamin'i Safana mpanoratra: Ny bokin'ny lalàna dia hitako tao an-tranon'i Jehovah. Dia natolotr'i Hilkia an'i Safana ny boky ka novakiny.
9. Ary Safana mpanoratra niverina ho any amin'ny mpanjaka nitondra valiny nanao hoe: Ny mpanomponao dia efa nandrotsaka ny vola izay azo tao an-trano ka nanolotra azy teo an-tànan'ny mpanao raharaha izay voatendry ny amin'ny tranon'i Jehovah.
10. Ary Safana mpanoratra nilaza koa tamin'ny mpanjaka hoe: Misy boky nomen'i Hilkia mpisorona ahy. Dia novakin'i Safana teo anatrehan'ny mpanjaka ny boky.