2 Mpanjaka 20:15-21 Malagasy Bible (MG1865)

15. Dia hoy izy: Ka inona avy anefa no hitany tato an-tranonao? Ary hoy Hezekia: Izay rehetra ato an-tranoko dia efa hitany avokoa: tsy misy zavatra tsy nasehoko azy ny ato amin'ny firaketako rehetra.

16. Ary hoy Isaia tamin'i Hezekia: Henoy ary ny tenin'i Jehovah:

17. Indro, avy ny andro, ka ho entina ho any Babylona izay rehetra ao an-tranonao sy izay rehetra noharin'ny razanao ka voarakitra mandraka androany; eny, tsy hisy sisa hijanona na inona na inona, hoy Jehovah.

18. Ary na dia ny terakao aza dia hisy ho entiny koa; ka ho tandonaka any amin'ny lapan'ny mpanjakan'i Babylona ireo.

19. Dia hoy Hezekia tamin'Isaia: Tsara ny tenin'i Jehovah izay nolazainao. Ary hoy koa izy: Eny, tsy izany va, raha misy fiadanana amin'ny androko ka handry fahizay?

20. Ary ny tantaran'i Hezekia sisa sy ny heriny rehetra mbamin'ny nanaovany ny kamory sy ny lakan-drano nitarihany rano ho ao an-tanĂ na, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Joda va izany?

21. Ary Hezekia lasa nodimandry any amin'ny razany; ary Manase zanany no nanjaka nandimby azy

2 Mpanjaka 20