12. Tamin'izany andro izany no nampitondran'i Berodaka baladana, zanak'i Baladana, mpanjakan'i Babylona, taratasy sy fanomezana ho an'i Hezekia; fa efa reny fa narary izy.
13. Ary Hezekia nandray azy ka naneho azy ny trano rehetra fitehirizany zava-tsoa, dia volafotsy sy volamena sy zava-manitra ary menaka tsara, sy ny trano fitehirizana ny fiadiany rehetra mbamin'izay rehetra tao amin'ny firaketany: tsy nisy zavatra tsy nasehon'i Hezekia azy, na ny tao an-tranony, na ny tao amin'ny fanjakany rehetra.
14. Dia nankany amin'i Hezekia mpanjaka Isaia mpaminany ka nanao taminy hoe: Ahoana no nolazain'ireo olona nankaty aminao ireo, ary avy taiza moa izy? Ary hoy Hezekia: Avy tany an-tany lavitra izy, dia avy tany Babylona.
15. Dia hoy izy: Ka inona avy anefa no hitany tato an-tranonao? Ary hoy Hezekia: Izay rehetra ato an-tranoko dia efa hitany avokoa: tsy misy zavatra tsy nasehoko azy ny ato amin'ny firaketako rehetra.
16. Ary hoy Isaia tamin'i Hezekia: Henoy ary ny tenin'i Jehovah:
17. Indro, avy ny andro, ka ho entina ho any Babylona izay rehetra ao an-tranonao sy izay rehetra noharin'ny razanao ka voarakitra mandraka androany; eny, tsy hisy sisa hijanona na inona na inona, hoy Jehovah.
18. Ary na dia ny terakao aza dia hisy ho entiny koa; ka ho tandonaka any amin'ny lapan'ny mpanjakan'i Babylona ireo.
19. Dia hoy Hezekia tamin'Isaia: Tsara ny tenin'i Jehovah izay nolazainao. Ary hoy koa izy: Eny, tsy izany va, raha misy fiadanana amin'ny androko ka handry fahizay?
20. Ary ny tantaran'i Hezekia sisa sy ny heriny rehetra mbamin'ny nanaovany ny kamory sy ny lakan-drano nitarihany rano ho ao an-tanĂ na, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Joda va izany?