2 Mpanjaka 19:23-25 Malagasy Bible (MG1865)

23. Ny irakao no nihaikanao ny Tompo hoe: Tamin'ny kalesiko maro no niakarako tany an-tampon'ny tendrombohitra, tao afovoan'i Libanona, ary hokapaiko ny sedera avo sy ny kypreso voafantina; dia hiditra any amin'ny faran'ny azo iakarana ao aho sy any amin'ny alany midokadoka.

24. Izaho no nihady ka nisotro rano vao niseho, ary ny faladiako no handritako ny ony mbamin'ny lahin-drano rehetra any Egypta.

25. Tsy mbola renao va, hoy Jehovah, fa hatry ny fony ela no nanomanako izany, ary hatramin'ny andro taloha no nikasako izany? ankehitriny dia efa nahatanteraka izany Aho, ka dia nandrava tanĂ na mimanda ho tonga korontam-bato ianao.

2 Mpanjaka 19