2 Mpanjaka 13:4-11 Malagasy Bible (MG1865)

4. Ary Joahaza nifona tamin'i Jehovah, dia nohenoin'i Jehovah izy, satria hitany ny fahorian'ny Isiraely, fa nampahory azy ny mpanjakan'i Syria.

5. Ary Jehovah nanome mpamonjy ho amin'ny Isiraely, ka dia afaka tamin'ny tanan'ny Syriana izy; ary nandry fahizay toy ny teo aloha ny Zanak'Isiraely.

6. Kanefa tsy niala tamin'ny fahotan'ny taranak'i Jeroboama, izay nampanotany ny Isiraely, izy, fa nandeha tamin'izany ihany, ary na dia ilay Aseraha aza dia mbola tao Samaria ihany.

7. Fa tsy nisy sisa navelan'i Jehovah ho an'i Joahaza, afa-tsy mpitaingin-tsoavaly dimam-polo sy kalesy folo ary miaramila an-tongotra iray alina; fa ny mpanjakan'i Syria efa nandringana azy ka nanao azy ho toy ny vovoka hitsakitsahina.

8. Ary ny tantaran'i Joahaza sisa mbamin'izay rehetra nataony ary ny heriny, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely va izany?

9. Ary Joahaza lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao Samaria izy; ary Joasy zanany no nanjaka nandimby azy.

10. Tamin'ny taona fahafito amby telo-polo nanjakan'i Joasy, mpanjakan'ny Joda, no vao nanjakan'i Joasy, zanak'i Joahaza, tamin'ny Isiraely tany Samaria, ary nanjaka enina ambin'ny folo taona izy.

11. Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy; fa tsy niala tamin'ny fahotana rehetra izay nataon'i Jeroboama, zanak'i Nebata, sady nampanotany ny Isiraely; fa nandeha tamin'izany ihany izy.

2 Mpanjaka 13