2 Mpanjaka 10:25-34 Malagasy Bible (MG1865)

25. Ary rehefa vita ny nanaterany ny fanatitra dorana, dia hoy Jeho tamin'ny mpiambina sy ny mpanafika malaza: Midira, ka vonoy, ary aza avela hisy ho tafavoaka. Dia namely azy tamin'ny lelan-tsabatra izy; ary ny mpiambina sy ny mpanafika malaza dia nanary ny faty ary niditra tao amin'ny tanàna nisy ny tranon'i Bala.

26. Ary namoaka ny orin-kazo izay tao an-tranon'i Bala izy ka nandoro ireny.

27. Ary nandrava ny tsangam-baton'i Bala sy ny tranony izy, ary dia nataony trano fivoahana mandraka androany izany.

28. Toy izany no nandravan'i Jeho an'i Bala tsy ho amin'ny Isiraely.

29. Nefa Jeho tsy dia niala tamin'ny fahotan'i Jeroboama, zanak'i Nebata, izay nampanotany ny Isiraely, dia tamin'ireo ombilahy kely volamena izay tao Betela sy Dana.

30. Ary hoy Jehovah tamin'i Jeho: Satria efa nanao soa ianao tamin'ny nanaovanao izay mahitsy eo imasoko sady efa nataonao tamin'ny taranak'i Ahaba araka izay rehetra tao am-poko, koa dia hitoetra amin'ny seza fiandrianan'ny Isiraely ny taranakao hatramin'ny zafindohalika.

31. Nefa Jeho tsy nitandrina handeha amin'ny lalàn'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, amin'ny fony rehetra; fa tsy niala tamin'ny fahotan'i Jeroboama izay nampanotany ny Isiraely izy.

32. Tamin'izany andro izany no niantombohan'ny nanakelezan'i Jehovah ny Isiraely; fa Hazaela namely azy tamin'ny sisin-tanin'ny Isiraely rehetra

33. hatrany Jordana no ho miantsinanana, dia ny tany Gileada rehetra, ny Gadita sy ny Robenita ary ny Manasita, hatrany Aroera, izay eo amoron'ny lohasahan-driaka Arnona, dia Gileada sy Basana.

34. Ary ny tantaran'i Jeho sisa mbamin'izay rehetra nataony ary ny heriny rehetra, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely va izany?

2 Mpanjaka 10