2 Mpanjaka 10:25-29 Malagasy Bible (MG1865)

25. Ary rehefa vita ny nanaterany ny fanatitra dorana, dia hoy Jeho tamin'ny mpiambina sy ny mpanafika malaza: Midira, ka vonoy, ary aza avela hisy ho tafavoaka. Dia namely azy tamin'ny lelan-tsabatra izy; ary ny mpiambina sy ny mpanafika malaza dia nanary ny faty ary niditra tao amin'ny tanĂ na nisy ny tranon'i Bala.

26. Ary namoaka ny orin-kazo izay tao an-tranon'i Bala izy ka nandoro ireny.

27. Ary nandrava ny tsangam-baton'i Bala sy ny tranony izy, ary dia nataony trano fivoahana mandraka androany izany.

28. Toy izany no nandravan'i Jeho an'i Bala tsy ho amin'ny Isiraely.

29. Nefa Jeho tsy dia niala tamin'ny fahotan'i Jeroboama, zanak'i Nebata, izay nampanotany ny Isiraely, dia tamin'ireo ombilahy kely volamena izay tao Betela sy Dana.

2 Mpanjaka 10