19. Koa ankehitriny vorio ho atỳ amiko ny mpaminanin'i Bala rehetra, ny mpanompony rehetra sy ny mpisorony rehetra; aza avela hisy tsy ho tonga na dia iray akory aza; fa hamono zavatra betsaka ho fanatitra ho an'i Bala aho; koa na iza na iza tsy ho tonga, dia tsy hovelomina izy. Kanjo Jeho nanao izany ho fihendrena handringanany ny mpanompon'i Bala.
20. Ary hoy Jeho: Manendre fivoriana masina ho an'i Bala. Koa dia nanendry andro izy.
21. Ary Jeho naniraka tany amin'ny Isiraely rehetra, ary dia tonga ny mpanompon'i Bala rehetra, ka tsy nisy lehilahy tsy tonga teo na dia iray akory aza. Ary dia niditra tao an-tranon'i Bala ireo, ka feno hika ny trano.
22. Dia hoy Jeho tamin'ny mpitahiry ny fitafiana: Amoahy fitafiana ny mpanompon'i Bala rehetra. Ary dia namoaka ny fitafiana ho azy izy.
23. Ary Jeho sy Jonadaba, zanak'i Rekaba, nankao an-tranon'i Bala ka niteny tamin'ny mpanompon'i Bala hoe: Fantaro tsara sy izahao, fandrao misy mpanompon'i Jehovah eto aminareo, fa tsy ny mpanompon'i Bala ihany.
24. Ary nony niditra hanatitra fanatitra dorana sy fanatitra hafa alatsa-drà izy, Jeho kosa dia nametraka valo-polo lahy teo ala-trano ka nanao hoe; Raha misy afa-mandositra ny olona izay nentiko ho eto an-tananareo, izay mamela azy handeha, dia ny ainy no hisolo ny ainy.
25. Ary rehefa vita ny nanaterany ny fanatitra dorana, dia hoy Jeho tamin'ny mpiambina sy ny mpanafika malaza: Midira, ka vonoy, ary aza avela hisy ho tafavoaka. Dia namely azy tamin'ny lelan-tsabatra izy; ary ny mpiambina sy ny mpanafika malaza dia nanary ny faty ary niditra tao amin'ny tanàna nisy ny tranon'i Bala.
26. Ary namoaka ny orin-kazo izay tao an-tranon'i Bala izy ka nandoro ireny.
27. Ary nandrava ny tsangam-baton'i Bala sy ny tranony izy, ary dia nataony trano fivoahana mandraka androany izany.
28. Toy izany no nandravan'i Jeho an'i Bala tsy ho amin'ny Isiraely.
29. Nefa Jeho tsy dia niala tamin'ny fahotan'i Jeroboama, zanak'i Nebata, izay nampanotany ny Isiraely, dia tamin'ireo ombilahy kely volamena izay tao Betela sy Dana.
30. Ary hoy Jehovah tamin'i Jeho: Satria efa nanao soa ianao tamin'ny nanaovanao izay mahitsy eo imasoko sady efa nataonao tamin'ny taranak'i Ahaba araka izay rehetra tao am-poko, koa dia hitoetra amin'ny seza fiandrianan'ny Isiraely ny taranakao hatramin'ny zafindohalika.
31. Nefa Jeho tsy nitandrina handeha amin'ny lalàn'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, amin'ny fony rehetra; fa tsy niala tamin'ny fahotan'i Jeroboama izay nampanotany ny Isiraely izy.
32. Tamin'izany andro izany no niantombohan'ny nanakelezan'i Jehovah ny Isiraely; fa Hazaela namely azy tamin'ny sisin-tanin'ny Isiraely rehetra