10. Raha ato anatiko koa ny fahamarinan'i Kristy, dia tsy hisy hahafoana izany reharehako izany any amin'ny tany Akaia.
11. Nahoana? Satria tsy tiako va ianareo? Andriamanitra no mahalala.
12. Fa izay ataoko no mbola hataoko ihany, mba hampitsaharako ny famelezan'izay mitady hamely, mba ho hita fa tahaka anay ihany izay amin'ny izay ireharehany.
13. Fa Apostoly sandoka izy ireny, mpiasa mamitaka, ka dia mampiova ny endriny ho tahaka ny Apostolin'i Kristy.
14. Ary tsy mahagaga izany, fa Satana aza mampiova ny endriny ho tahaka ny anjelin'ny mazava.