8. Fa raha misy tsy mamelona ny azy, indrindra fa ny ankohonany, dia efa nandà ny finoana izy ka ratsy noho ny tsy mino aza.
9. Aza soratana ho isan'ny mpitondratena izay latsaka noho ny enim-polo taona sady efa nanam-bady indray mandeha ihany
10. ary tsara laza amin'ny asa tsara; raha namelon-jaza izy, raha nampiantrano vahiny, raha nanasa ny tongotry ny olona masina, raha namonjy ny nozoim-pahoriana, raha nazoto nanaraka ny asa tsara rehetra.
11. Fa mandava ny mpitondra-tena tanora; fa raha tsy maharitra ny fifehezan'i Kristy izy, dia ta-hanam-bady
12. ka hahazo fanamelohana, satria nandà ny finoany voalohany izy.