11. Izany zavatra izany no andidio sy ampianaro.
12. Aoka tsy hisy olona hanao tsinontsinona anao noho ny hatanoranao; fa aoka ho tonga fianarana ho an'ny mino ianao amin'ny fiteny, amin'ny fitondran-tena, amin'ny fitiavana, amin'ny finoana, amin'ny fahadiovana.
13. Mandra-pihaviko tandremo ny famakian-teny, ny fananarana, ny fampianarana.
14. Aza tsy mitandrina ny fanomezam-pahasoavana izay ao anatinao, izay nomena anao tamin'ny faminaniana sy ny fametrahan-tànan'ny loholona.
15. Mazotoa hihevitra izany zavatra izany, dia mikeleza aina fatratra amin'izany, mba hiseho amin'ny olona rehetra ny fandrosoanao.
16. Tandremo ny tenanao sy ny fampianaranao, ka mahareta amin'izany; fa raha manao izany ianao, dia hamonjy ny tenanao sy izay mihaino anao.