1 Timoty 4:1-4 Malagasy Bible (MG1865)

1. Fa ny Fanahy milaza marina fa amin'ny andro aoriana dia hihemotra amin'ny finoana ny sasany, manaiky fanahy mamitaka sy fampianaran'ny demonia,

2. amin'ny fihatsaram-belatsihin'ny mpilaza lainga, ka voapetaky ny vy mahamay ny fieritreretany,

3. izay mandrara tsy hanam-bady, ary mampifady hanina, izay nataon'Andriamanitra ho an'izay mino sady mahalala ny marina, mba horaisiny amin'ny fisaorana.

4. Fa ny zavatra rehetra nataon'Andriamanitra dia tsara avokoa, ka tsy misy tokony holavina, raha raisina amin'ny fisaorana,

1 Timoty 4