1 Timoty 1:1-13 Malagasy Bible (MG1865)

1. Paoly, Apostolin'i Kristy Jesosy araka ny didin'Andriamanitra, Mpamonjy antsika, sy Kristy Jesosy fanantenantsika,

2. mamangy an'i Timoty, tena zanako amin'ny finoana: fahasoavana, famindram-po, fiadanana avy amin'Andriamanitra Ray sy Kristy Jesosy Tompontsika.

3. Toy ny nangatahako anao hitoetra any Efesosy, rehefa hankany Makedonia aho, mba handidianao ny sasany tsy hanao fampianarana hafahafa,

4. na hitandrina ny anganongano sy ny tantaram-pirazanana tsy hita lany izay mahatonga ady hevitra, fa tsy mampandroso ny fitondrana araka an'Andriamanitra amin'ny finoana, dia toy izany koa no ataoko ankehitriny.

5. Fa ny anton'ny didy dia fitiavana avy amin'ny fo madio sy ny fieritreretana tsara ary ny finoana tsy mihatsaravelatsihy,

6. izay nivilian'ny sasany, ka nania ho amin'ny taria foana izy,

7. dia olona izay te-ho mpampiana-dalàna, kanefa tsy fantany akory izay lazainy na izay itompoany.

8. Nefa fantatsika fa tsara ny lalàna, raha entin'ny olona araka izay antony,

9. ka fantany fa tsy ny olona marina no nanaovana ny lalàna, fa ny mpandika lalàna sy ny maditra, dia ny tsy matahotra an'Andriamanitra sy ny mpanota, ny olona tsy manaja izay masina sy ny olona vetaveta, ny mpamono ray sy ny mpamono reny, ny mpamono olona,

10. ny mpijangajanga, ny sodomita, ny mpangalatra olona, ny mpandainga, ny mpianian-tsy tò, ary na inona na inona manohitra ny fampianarana tsy misy kilema,

11. araka ny filazantsaran'ny voninahitr'Andriamanitra finaritra, izay natolotra ho adidiko.

12. Misaotra an'i Kristy Jesosy Tompontsika aho, Izay nampahery ahy, fa nataony mahatoky aho ka notendreny ho amin'ny fanompoana,

13. dia izaho, izay mpiteny ratsy fahiny sady mpanenjika sy mpampahory; kanefa nahazo famindram-po aho, satria tamin'ny tsi-fahalalana no nanaovako izany noho ny tsi-finoana.

1 Timoty 1