32. Ary Miklota niteraka an'i Simea. Ireo koa dia niara-nonina tamin'ny rahalahiny tany Jerosalema nifanandrify fonenana taminy.
33. Ary Nera niteraka an'i Kisy; ary Kisy niteraka an'i Saoly; ary Saoly niteraka an'i Jonatana sy Malkisoa sy Abinadaba ary Esbala.
34. Ary ny zanakalahin'i Jonatana dia Meribala; ary Meribala niteraka an'i Mika.
35. Ary ny zanakalahin'i Mika dia Pitona sy Maleka sy Tarea ary Ahaza.
36. Ary Ahaza niteraka an'i Joada; ary Joada niteraka an'i Alemeta sy Azmaveta ary Zimry; ary Zimry niteraka an'i Moza;
37. ary Moza niteraka an'i Binea; Rafa no zanakalahin'i Binea, Elasa no zanakalahin'i Rafa, Azela no zanakalahin'i Elasa
38. Ary Azela nanana zanaka enina mirahalahy, ka izao no anarany: Azrikama sy Bokero sy Isimaela sy Searia sy Obadia ary Hanana. Ireo rehetra ireo no zanakalahin'i Azela.