6. Ny zanakalahin'i Benjamina dia Bela sa Bakera ary Jediaela; telo izy.
7. Ary ny zanakalahin'i Bela dia Ezbona sy Ozy sy Oziela sy Jerimota ary Iry; dimy izy, ary samy lohan'ny fianakaviany avy sady lehilahy mahery avokoa; ary ny Isany araka ny firazanany dia efatra amby telo-polo amby roa arivo sy roa alina.
8. Ary ny zanakalahin'i Bakera dia Zemira sy Joasy sy Eliezera sy Elioenay sy Omry sy Jerimota sy Abia sy Anatota ary Alameta. Ireo rehetra ireo no zanakalahin'i Bakera.
9. Ary ny isany araka ny firazanany amin'ny fireneny, izay samy lohan'ny fianakaviany avy sady lehilahy mahery, dia roanjato sy roa alina.
10. Ny zanakalahin'i Jediaela dia Bilana; ary ny zanakalahin'i Bilana dia Jeosy sy Benjamina sy Ehoda sy Kenana sy Zetana sy Tarsisy ary Ahisahara
11. Ireo zanakalahin'i Jediaela rehetra ireo, araka ny lohan'ny fianakaviany, dia roan-jato amby fito arivo sy iray alina no isan'ny lehilahy mahery azo nalefa hanafika.
12. Sopima koa sy Hopima, zanakalahin'Iry, ary Hosima, zanakalahin'i Ahera.
13. Ny zanakalahin'i Naftaly dia Jaziela sy Gony sy Jezera sy Saloma, samy zanakalahin'i Bila ireo.
14. Ny zanakalahin'i Manase dia Asriela, Izay naterany; fa ilay Syriana vaditsindranony kosa no niteraka an'i Matira, rain'i Gileada.
15. Ary Makira naka vady ho an'i Hopima sy Sopima; ny anaran'ny rahavaviny dia Imaka; ary ny anaran'ny manarakaraka dia Zelofada; ary Zelofada nanan-janakavavy.
16. Ary Imaka, vadin'i Makira, niteraka zaza, ahy, ka Paresy no nataony anarany; ary Saresy no anaran'ny rahalahiny; ary ny anaran'ny zananilahy dia Olama sy Rakema.
17. Ary ny zanakalahin'i Olama dia Bedana. Ireo no zanakalahin'i Gileada, zanakalahin'i Makira, zanakalahin'i Manase.
18. Ary Hamoleketa anabaviny niteraka an'Isehoda sy Abiezera ary Mahala.
19. Ary ny zanakalahin'i Semida dia Ahiana sy Sekema sy Liky ary Aniama.
20. Ary ny zanakalahin'i Efraima dia Sotela (Bareda no zanakalahin'i Sotela, Tahata no zanakalahin'i Bareda, Elada no zanakalahin'i Tahata, Tahata no zanakalahin'i Elada,
21. Zabada no zanakalahin'i Tahata, Sotela no zanakalahin'i Zabada) ary Ezera sy Elada, izay novonoin'ny tompon-tany tao Gata, satria nidina hangalatra ny ombiny aman'ondriny izy.
22. Ary Efraima, rainy nisaona azy ela, dia avy ny rahalahiny hampionona azy.
23. Ary nony niray tamin'ny vadiny izy, dia nanan'anaka ravehivavy ka niteraka zazalahy, ary ny anarany nataony hoe Beria, satria nisy fahoriana tao an-tranony tamin'izany.
24. (Ary ny zananivavy dia Sera, izay nanorina an'i Beti-horona ambany sy ambony sy Ozena-sera).