19. Ary ny zanakalahin'i Semida dia Ahiana sy Sekema sy Liky ary Aniama.
20. Ary ny zanakalahin'i Efraima dia Sotela (Bareda no zanakalahin'i Sotela, Tahata no zanakalahin'i Bareda, Elada no zanakalahin'i Tahata, Tahata no zanakalahin'i Elada,
21. Zabada no zanakalahin'i Tahata, Sotela no zanakalahin'i Zabada) ary Ezera sy Elada, izay novonoin'ny tompon-tany tao Gata, satria nidina hangalatra ny ombiny aman'ondriny izy.
22. Ary Efraima, rainy nisaona azy ela, dia avy ny rahalahiny hampionona azy.
23. Ary nony niray tamin'ny vadiny izy, dia nanan'anaka ravehivavy ka niteraka zazalahy, ary ny anarany nataony hoe Beria, satria nisy fahoriana tao an-tranony tamin'izany.
24. (Ary ny zananivavy dia Sera, izay nanorina an'i Beti-horona ambany sy ambony sy Ozena-sera).
25. Ary Refa sy Rasefa no zanakalahin'i Beria, Tela no zanakalahin'i Rasefa, Tahana no zanakalahin'i Tela,
26. Ladana no zanakalahin'i Tahana, Amihoda no zanakalahin'i Ladana, Elisama no zanakalahin'i Amihoda.
27. Nona no zanakalahin'i Elisama, Josoa no zanakalahin'i Nona.
28. Ary ny taniny sy ny fonenany dia Betela sy ny zana-bohiny, ary any atsinanana dia Narana, ary any andrefana dia Gazera sy ny zana-bohiny ary Sekema sy ny zana-bohiny hatrany Gaza sy ny zana-bohiny;
29. ary teo amin'ny sisin-tanin'ny taranak'i Manase dia Beti-sana sy ny zana-bohiny, Tanaka sy ny zana-bohiny, Megido sy ny zana-bohiny, Dora sy ny zana-bohiny Tamin'ireo no nonenan'ny taranak'i Josefa, zanak'Isiraely.