1 Tantara 6:48-52 Malagasy Bible (MG1865)

48. Ary ny loka azon'ny taranak'i Merary araka ny fokony dia tanàna roa ambini ny folo avy tamin'ny firenen'i Robena sy ny firenen'i Gada ary ny firenen'i Zebolona.

49. Dia nomen'ny Zanak'i Isiraely ho an'ny Levita ireo tanàna ireo sy ny tany manodidina azy.

50. Ary nomeny tamin'ny filokana ireto tanàna tononina ireto avy tamin'ny firenena taranak'i Joda sy ny firenena taranak'i Simeona ary ny firenena taranak'i Benjamina.

51. Fa ny sasany amin'ny fokon'ny taranak'i Kehata dia nahazo tanàna avy tamin'ny firenen'i Efraima.

52. Ary nomeny azy Sekema, tanàna fiarovana, tao amin'ny tany havoan'i Efraima sy ny tany manodidina azy ary Gazera sy ny tany manodidina azy

1 Tantara 6