32. zanakalahin'i Maly, zanakalahin'i Mosy, zanakalahin'i Merary, zanakalahin'i Levy.
33. Ary ny Levita rahalahin'ireo koa dia efa nomena hanao ny fanompoana rehetra ao amin'ny tabernakelin'ny tranon'Andriamanitra.
34. Fa Arona sy ny zananilahy no nanatitra teo ambonin'ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana sy teo ambonin'ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra, mba hanao ny raharaha rehetra ao amin'ny fitoerana masina indrindra sy hanao fanavotana ho an'ny Isiraely, araka izay rehetra nandidian'i Mosesy, mpanompon'Andriamanitra.
35. Ary ny zanakalahin'i Arona dia Eleazara, ary Finehasa no zanakalahin'i Eleazara, Abisoa no zanakalahin'i Finehasa,
36. Boky no zanakalahin'i Abisoa, Ozy no zanakalahin'i Boky, Zerahia no zanakalahin'i Ozy,
37. Meraiota no zanakalahin'i Zerahia, Amaria no zanakalahin'i Meraiota, Ahitoba no zanakalahin'i Amaria,
38. Zadoka no zanakalahin'i Ahitoba, Ahimaza no zanakalahin'i Zadoka.
39. Ary izao no fonenany araka ny vohiny tao amin'ny zara-taniny avy, dia ny an'ny taranak'i Arona, avy amin'ny fokon'ny Kehatita; fa azy ny loka:
40. Nomeny azy Hebrona tao amin'ny tanin'ny Joda sy ny tany manodidina azy.
41. Fa ny saha momba ny tanàna sy ny vohiny kosa nomeny an'i Kaleba, zanak'i Jefone.
42. Ary ny taranak'i Arona nomeny an'i Hebrona, tanàna fiarovana, ary Libna sy ny tany manodidina azy ary Jatira sy Estemoa sy ny tany manodidina azy
43. ary Hilena sy ny tany manodidina azy ary Debira sy ny tany manodidina azy
44. ary Asana sy ny tany manodidina azy ary Beti-semesy sy ny tany manodidina azy;
45. ary avy tamin'ny firenen'i Benjamina dia Geba sy ny tany manodidina azy ary Alemeta sy ny tany manodidina azy ary Anotata sy ny tany manodidina azy. Dia telo ambin'ny folo no isan'ny tanànan'izy mianakavy rehetra.
46. Ary ny an'ny taranak'i Kehata sisa tamin'ny fokon'izany firenena izany dia tanàna folo araka ny filokana tamin'ny antsasaky ny firenen'i Manase.
47. Ary ny an'ny taranak'i Gersona araka ny fokony dia tanàna telo ambin'ny folo tamin'ny firenen'Isakara sy ny firenen'i Asera sy ny firenen'i Naftaly ary ny firenen'i Manase any Basana.
48. Ary ny loka azon'ny taranak'i Merary araka ny fokony dia tanàna roa ambini ny folo avy tamin'ny firenen'i Robena sy ny firenen'i Gada ary ny firenen'i Zebolona.
49. Dia nomen'ny Zanak'i Isiraely ho an'ny Levita ireo tanàna ireo sy ny tany manodidina azy.