1 Tantara 5:1-3 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary ny zanakalahin'i Robena, lahimatoan'Isiraely (fa izy no lahimatoa; saingy ny nandotoany ny farafaran-drainy no nanomezana ny fizokiany ho an'ny zanak'i Josefa, zanak'Isiraely; nefa tsy voasoratra ho zokiny amin'ny fitantaram-pirazanana ireo;

2. fa Joda nisandratra noho ny rahalahiny, ary izy no nihavian'ny mpanapaka; nefa ny fizokiana kosa dia an'i Josefa ihany),

3. ny zanakalahin'i Robena, lahimatoan'Isiraely, dia Hanoka sy Palo sy Hezrona ary Karmy.

1 Tantara 5