1 Tantara 4:17-21 Malagasy Bible (MG1865)

17. Ary ny zanakalahin'i Ezra dia Jatera sy Mareda sy Efera ary Jalona; ary izy niteraka an'i Miriama sy Samay ary Jisba, razamben'ny any Estemoa.

18. Ary Jehodia vadiny niteraka an'i Jareda, razamben'ny any Gedora, sy Hebera, razamben'ny any Soko, ary Jakotiela, razamben'ny any Zanoa. Ireo no zanakalahin'i Bitia, zanakavavin'i Farao, izay novadin'i Mareda.

19. Ary ny zanakalahin'i Hodia vadiny, izay anabavin'i Nahama, dia ny razamben'ny an'i Keila Garmita sy Estemoa Makatita.

20. Ary ny zanakalahin'i Simona dia Amnona sy Rina sy Ben-hanana ary Tilona. Ary ny zanakalahin'i Jisy dia Zoheta sy Ben-zoheta.

21. Ary ny zanakalahin'i Sela, zanak'i Joda, dia Era, rain'i Leka, sy Lada, rain'i Maresa, sy ny fokon'ny mpanao rongony fotsy madinika amin'ny ankohonan'i Asbea;

1 Tantara 4