1. Ary novorin'i Davida tany Jerosalema ny lehibe rehetra tamin'ny Isiraely, dia ny lohan'ny firenena sy ny komandin'ny antokony Izay nanompo ny andriamanjaka, ary ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato sy ny mpitandrina ny harena mbanin'ny fananana rehetra an'ny mpanjaka sy ny zanany mbamin'ny tandapa sy ny lehilahy mahery, dia ny lehibe rehetra.
2. Ary Davida mpanjaka nitsangana ka nanao hoe: Mihainoa ahy, ry rahalahiko sy ry vahoakako! Raha izaho, dia efa mby tato am-poko ny hanao trano fitsaharana ho an'ny fiaran'ny faneken'i Jehovah sy ho an'ny fitoeran-tongotr'Andriamanitsika, ary efa novononiko izay ho enti-manao azy;