5. Ny komandin'ny antokony fahatelo tamin'ny miaramila, ho amin'ny volana fahatelo, dia Benaia lohany, zanak'i Joiada mpisorona; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina.
6. Io no ilay Benaia, izay nahery sady ambony tamin'izy telo-polo lahy; Amizabada zanany no isan'ny antokony.
7. Ny fahefatra, ho amin'ny volana fahefatra, dia Asahela, rahalahin'i Joaba, ary Zebadia zanany no nanarakaraka azy; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina.
8. Ny fahadimy, ho amin'ny volana fahadimy, dia Samihota Jizarita; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina.
9. Ny fahenina, ho amin'ny volana fahenina, dia Ira, zanak'Ikesy Tekoita; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina.
10. Ny fahafito, ho amin'ny volana fahafito, dia Heleza Pelonita, isan'ny taranak'i Efraima; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina.
11. Ny fahavalo, ho amin'ny volana fahavalo, dia Sibekay Hosatita, isan'ny Zerita; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina.
12. Ny fahasivy, ho amin'ny volana fahasivy, dia Abiezera Anatotita, Isan'ny Benjamita; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina.
13. Ny fahafolo, ho amin'ny volana fahafolo, dia Maharay Netofatita, isan'ny Zerita; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina.
14. Ny fahiraika ambin'ny folo, ho amin'ny volana fahiraika ambin'ny folo, dia Benaia Piratonita, isan'ny taranak'i Efraima; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina.
15. Ny faharoa ambin'ny folo, ho amin'ny volana faharoa ambin'ny folo, dia Helday Netofatita, isan'ny taranak'i Otniela; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina.