1 Tantara 26:9-18 Malagasy Bible (MG1865)

9. Ary Meselemia nanan-janaka sy rahalahy valo ambin'ny folo, samy lehilahy mahay avokoa.

10. Ary Hosa, tamin'ny taranak'i Merary, nanan-janakalahy, dia Simry, lohany (fa na dia tsy lahimatoa aza izy, dia izy no nataon-drainy ho lohany),

11. sy Hilkia, lahiaivo, sy Tebalia, fahatelo, ary Zakaria, fahefatra; ny zanakalahin'i Hosa sy ny rahalahiny rehetra dia telo ambin'ny folo.

12. Ireo lohan'ny tonian'ny mpiandry varavarana ireo dia nomena anjara-raharaha niaraka tamin'ny rahalahiny hanao fanompoam-pivavahana ao an-tranon'i Jehovah.

13. Ary izy ireo, na ny kely na ny lehibe, dia nanao filokana avokoa araka ny fianakaviany ny ho amin'ny isam-bavahady.

14. Koa ny loka tamin'ny atsinanana dia azon'i Selemia. Ary nanaovana filokana Zakaria zanany, mpanolo-tsaina hendry, ka ny loka tamin'ny avaratra no azony.

15. An'i Obed-edoma ny atsimo, ary an'ny zanany ny trano firaketana.

16. An'i Sopima sy Hosa ny andrefana mbamin'ny vavahady Saleketa amin'ny lalana miakatra; ary dia feno avokoa ny fiambenana.

17. Ny atsinanana nisy Levita enina, ny avaratra nisy efatra Isan'andro, ny atsimo nisy efatra isan'andro, ary ny trano firaketana nisy efa-dahy nizara ho roa avy.

18. Tany Parbara andrefana nisy efatra amin'ny lalana, ary roa tao Parbara.

1 Tantara 26