1 Tantara 26:18-32 Malagasy Bible (MG1865)

18. Tany Parbara andrefana nisy efatra amin'ny lalana, ary roa tao Parbara.

19. Dia Ireo no antokon'ny mpiandry varavarana tamin'ny taranak'i Kora sy ny taranak'i Merary.

20. Ary tamin'ny Levita dia Ahia no tonian'ny rakitry ny tranon'Andriamanitra sy ny zavatra nohamasinina ho rakitra.

21. Ny taranak'i Ladana, ilay Ladana Gersonita, ireo lohan'ny fianakavian'i Ladana Gersonita, dia ny Jehielita.

22. Ary ny taranaky ny Jehielita, dia Zetama sy Joela rahalahiny, no tonian'ny rakitry ny tranon'i Jehovah.

23. Tamin'ny Amramita sy ny Jizarita sy ny Hebronita ary ny Ozielita

24. dia Seboela, avy tamin'ny taranak'i Gersona, zanak'i Mosesy, no tonian'ny rakitra.

25. Ary ny rahalahiny avy tamin'i Eliezera dia Rehabia, zanak'i Eliezera, sy Jesaia, zanak'i Rehabia, sy Jorama, zanak'i Jesaia, sy Zikry, zanak'i Jorama, ary Selomota, zanak'i Zikry.

26. Io Selomota io sy ny rahalahiny no tonian'ny zavatra nohamasinina ho rakitra, dia Izay nohamasinin'i Davida mpanjaka sy ny lohan'ny fianakaviana ary ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato ary ny komandin'ny miaramila.

27. Tamin'ny babo izay azony tamin'ny ady nisy nohamasininy ho enti-manamboatra ny tranon'i Jehovah.

28. Ary izay rehetra nohamasinin'i Samoela mpahita sy Saoly, zanak'i Kisy, sy Abnera, zanak'i Nera, sy Joaba, zanak'i Zeroia, dia izay rehetra nohamasininy, dia Selomota sy ny rahalahiny no nitahiry izany.

29. Tamin'ny Jizarita dia Kenania sy ny zanany no voatendry ho amin'ny raharaha ivelany amin'ny Isiraely, dia ho mpifehy sy mpitsara.

30. Ary tamin'ny Hebronita dia Hasabia sy ny rahalahiny, lehilahy mahay fiton-jato amby arivo, no mpifehy tamin'ny Isiraely tany an-dafy andrefan'i Jordana ny amin'ny raharaha rehetra ho an'i Jehovah sy ny fanompoana ny mpanjaka.

31. Ny Hebronita dia Jeria lohany (tamin'ny taona fahefa-polo nanjakan'i Davida no nitadiavana ny Hebronita araka ny fianakaviany avy, ka nisy lehilahy mahay hita tao aminy tao Jazera any Gileada)

32. sy ny rahalahiny fiton-jato amby roa arivo, samy lehilahy mahay, lohan'ny fianakaviany avy. Ary Davida nanendry ireo ho mpifehy ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky firenen'i Manase, ny amin'ny raharahan'Andriamanitra sy ny mpanjaka.

1 Tantara 26