1 Tantara 26:1-12 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary ny amin'ny antokon'ny mpiandry varavarana: Tamin'ny Koraita dia Meselemia, zanak'i Kore, avy tamin'ny zanak'i Asafa.

2. Ary ny zanakalahin'i Meselemia dia Zakaria, lahimatoa, sy Jediaela, lahiaivo, sy Zebadia, fahatelo, sy Jediaela, fahefatra,

3. sy Elama, fahadimy, sy Johanana, fahenina, sy Elihoenay, faralahy.

4. Ary ny zanakalahin'i Obed-edoma dia Semaia, lahimatoa, sy Jozabada, lahiaivo, sy Joa, fahatelo, sy Sakara, fahefatra, sy Netanela, fahadimy,

5. sy Amiela, fahenina, sy Isakara, fahafito, sy Peoletahy, faralahy; fa Andriamanitra efa nitahy azy.

6. Ary Semaia zanany niteraka zazalahy maromaro izay samy tonga mpanapaka tamin'ny fianakavian-drainy, satria samy lehilahy mahay izy.

7. Ny zanakalahin'i Semaia dia Otny sy Refaela sy Obeda ary Elzabada mbamin'ireo rahalahiny, lehilahy mahay, dia Eliho sy Semakia.

8. Ireo rehetra ireo no avy tamin'ny zanak'i Obededoma, dia izy sy ny zanany sy ny rahalahiny, izay samy lehilahy mahery sady matanjaka amin'ny fanompoany; roa amby enim-polo no an'i Obed-edoma.

9. Ary Meselemia nanan-janaka sy rahalahy valo ambin'ny folo, samy lehilahy mahay avokoa.

10. Ary Hosa, tamin'ny taranak'i Merary, nanan-janakalahy, dia Simry, lohany (fa na dia tsy lahimatoa aza izy, dia izy no nataon-drainy ho lohany),

11. sy Hilkia, lahiaivo, sy Tebalia, fahatelo, ary Zakaria, fahefatra; ny zanakalahin'i Hosa sy ny rahalahiny rehetra dia telo ambin'ny folo.

12. Ireo lohan'ny tonian'ny mpiandry varavarana ireo dia nomena anjara-raharaha niaraka tamin'ny rahalahiny hanao fanompoam-pivavahana ao an-tranon'i Jehovah.

1 Tantara 26