1 Tantara 25:6-10 Malagasy Bible (MG1865)

6. Ireo rehetra ireo no fehin'ny rainy tamin'ny hira natao tao an-tranon'i Jehovah tamin'ny kipantsona sy ny valiha sy ny lokanga hanaovana ny fanompoana ao an-tranon'Andriamanitra; Asafa sy Jedotona ary Hemana dia nofezehin'ny mpanjaka.

7. Ary ny isany mbamin'ny rahalahiny, izay efa nianatra ny hira ho an'i Jehovah izay rehetra nahay dia valo amby valo-polo amby roan-jato.

8. Ary nanao filokana ny amin'ny anjara-raharahany avy izy, na ny kely na ny lehibe, na ny mpampianatra na ny mpianatra.

9. Ary ny loka voalohany dia azon'i Josefa avy amin'ny taranak'i Asafa; ny faharoa an'i Gedalia, izy mbamin'ny rahalahiny sy ny zanany, dia roa ambin'ny folo;

10. ny fahatelo an'i Zakora, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo;

1 Tantara 25