1. Ary ny taranak'i Asafa sy Hemana ary Jedotona dia natokan'i Davida sy ireo komandin'ny miaramila ho amin'ny fanompoana mba haminany amin'ny lokanga sy ny valiha ary ny kipantsona; ary izao no isan'ny mpanao araka ny fanompoany avy:
2. Tamin'ny zanakalahin'i Asafa dia Zakora sy Josefa sy Netania ary Asarela, zanak'i Asafa, nofehezin'i Asafa, izay naminany araka izay nifehezan'ny mpanjaka azy.
3. Tamin'i Jedotona, ny zanany dia Gedalia sy Zery sy Jesaia sy Hasabia ary Matitia, enin-dahy ireo ka nofehezin'i Jedotona rainy, izay naminany tamin'ny lokanga hidera sy hisaotra an'i Jehovah.