1 Tantara 24:17-23 Malagasy Bible (MG1865)

17. ny fahiraika amby roa-polo an'i Jakina, ny faharoa amby roa-polo an'i Gamola,

18. ny fahatelo amby roa-polo an'i Delaia, ny fahefatra amby roa-polo an'i Mazia.

19. Ireo avy no antokony amin'ny fanompoany izay idirany ao an-tranon'i Jehovah araka ny fitsipika voatendrin'i Arona rainy, araka ny nandidian'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, azy.

20. Ary tamin'ny taranak'i Levy sisa dia izao; Tamin'ny taranak'i Amrama dia Sobaela; tamin'ny zanak'i Sobaela dia Jedala.

21. Ny amin'i Rehabia: tamin'ny taranak'i Rehabia dia Jisia no voalohany.

22. Tamin'ny Jizarita dia Selomota; tamin'ny taranak'i Selomota dia Jahata.

23. Ary ny amin'ny taranak'i Sebrona dia Jeria no voalohany, Amaria no faharoa, Jahaziela no fahatelo, Jekameama no fahefatra.

1 Tantara 24