1. Ary ny amin'ny taranak'i Arona dia izao no nizarana azy ho antokony: Ny zanakalahin'i Arona dia Nadaba sy Abiho sy Eleazara ary Itamara;
2. fa Nadaba sy Abiho dia maty talohan-drainy sady samy tsy nanan-janaka, koa dia Eleazara sy Itamara no nanao fisoronana.
3. Ary Davida sy Zadoka, isan'ny taranak'i Eleazara, sy Ahimeleka, isan'ny taranak'Itamara, dia nizara azy araka ny antokony sy ny fanompoany avy.
4. Ary ny lohany tamin'ireo, dia tamin'ny taranak'i Eleazara, no maromaro kokoa noho ny tamin'ny taranak'Itamara, ka dia nozarainy toy izao izy: Tamin'ny taranak'i Eleazara dia enina ambin'ny folo no lohan'ny fianakaviana; ary tamin'ny taranak'Itamara dia valo kosa no lohan'ny fianakaviana.