1 Tantara 20:4-8 Malagasy Bible (MG1865)

4. Ary nony afaka izany, dia nisy ady tamin'ny Filistina tao Gazera; tamin'izany no namonoan'i Sibekay Hosatita an'i Sipay, izay isan'ny taranaky ny Refaita, ka dia naetriny ny Filistina.

5. Ary dia nisy ady tamin'ny Filistina indray ary Elanana, zanak'i Jaira, namono an'i Lamy, rahalahin'i Goliata Gatita, izay nanan-jaran-defona tahaka ny vodi-tenon'ny mpanenona.

6. Ary nisy ady indray tao Gata; ary tao nisy lehilahy vaventibe izay enin-drantsana, ka dia efatra amby roa-polo no isan'ny rantsan-tànany sy ny rantsan-tongony; ary izy koa mba isan'ny taranaky ny Refaita.

7. Ary nony nihaika ny Isiraely izy, dia nahafaty azy Jonatana, zanak'i Simea, rahalahin'i Davida.

8. Ireo no taranaky ny Refaita tao Gata, ka matin'ny tànan'i Davida sy ny tanan'ny mpanompony ireo.

1 Tantara 20