1 Tantara 2:9-20 Malagasy Bible (MG1865)

9. Ary ny zanakalahin'i Hezrona izay naterany dia Jeramela sy Rama ary Kelobay;

10. ary Rama niteraka an'i Aminadaba; ary Aminadaba niteraka an'i Nasona, lohan'ny taranak'i Joda;

11. ary Nasona niteraka an'i Salma; ary Salma niteraka an'i Boaza;

12. ary Boaza niteraka an'i Obeda; ary Obeda niteraka an'i Jese;

13. ary Jese niteraka an'i Eliaba, lahimatoa, sy Abinadaba, lahiaivo, sy Simea, fahatelo,

14. sy Netanela, fahefatra, sy Raday, fahadimy,

15. sy Ozema, fahenina, ary Davida, faralahy;

16. Zeroba sy Abigaila no anabaviny; ary telo ny zanakalahin'i Zeroia, dia Abisay sy Joaba ary Asahela;

17. ary Abigaila niteraka an'i Amasa; ary Jitra Isimaelita no rain'i Amasa.

18. Ary Kaleba, zanakalahin'i Hezrona, niteraka tamin'i Azoba vadiny sy tamin'i Jeriota. Izao no zanakalahin'i Azoba: Jasera sy Sobaba ary Ardona.

19. Ary nony maty Azoba, dia Efrata no nalain'i Kaleba ho vadiny, ary izy niteraka an'i Hora taminy;

20. ary Hora niteraka an'i Ory; ary Ory niteraka an'i Bezalila.

1 Tantara 2