1 Tantara 2:38-55 Malagasy Bible (MG1865)

38. ary Obeda niteraka an'i Jeho; ary Jeho niteraka an'i Azaria;

39. ary Azaria niteraka an'i Haleza; ary Haleza niteraka an'i Elasa;

40. ary Elasa niteraka an'i Sismay; ary Sismay niteraka an'i Saloma;

41. ary Saloma niteraka an'i Jekamia; ary Jekamia niteraka an'i Elisama.

42. Ary ny zanakalahin'i Kaleba, rahalahin'i Jeramela, dia Mesa, lahimatoa, razamben'ny any Zifa, sy ny zanakalahin'i Maresa, razamben'ny any Hebrona.

43. Ary ny zanakalahin'i Hebrona dia Kora sy Tapoa sy Rakema ary Sema.

44. Ary Sema niteraka an'i Rahama, rain'i Jorkeama, ary Rakema niteraka an'i Samay;

45. ary ny zanakalahin'i Samay dia Maona, ary Maona no razamben'ny any Beti-zora;

46. ary Efaha, vaditsindranon'i Kaleba, niteraka an'i Harana sy Moza sy Gazeza; ary Harana niteraka an'i Gazeza.

47. Ary ny zanakalahin'i Jeday dia Ragema sy Jotama sy Gesana sy Paleta sy Efaha ary Safa.

48. Maka, vaditsindranon'i Kaleba, niteraka an'i Sabera sy Tirana.

49. Izy koa niteraka an'i Safa, razamben'ny any Madmana, sy Seva, razamben'ny any Makbena sady razamben'ny any Gibea; ary ny zanakavavin'i Kaleba dia Aksa.

50. Izao no zanakalahin'i Kaleba, zanak'i Hora, lahimatoan'i Efrata: Sobala, razamben'ny any Kiriata-Jearima,

51. Salma, razamben'ny any Betlehema, Harefa, razamben'ny any Beti-gadera.

52. Ary Sobala, razamben'ny any Kiriata Zarima, nanan-janakalahy, dia Haroe sy Hatsi-hamenokota

53. ary ny fokon'i Kiriata-Jearima koa, dia ny Jitrita sy ny Potita sy ny Somatita ary ny Misraita; avy tamin'ireo no nihavian'ny Zoraita sy ny Estaolita.

54. Ny zanakalahin'i Salma dia Betlehema sy ny Netofatita sy Atrota-beti-joaba ary Hatsi-hamanatita sy ny Zoraita

55. ary ny fokon'ny mpanoratra izay nonina tany Jabeza, dia ny Tiratita sy ny Simeatita ary ny Sokatita. Ireo no Kenita avy tamin'i Hamata, rain'ny taranak'i Rekaba.

1 Tantara 2