3. Ny zanakalahin'i Joda dia Era sy Onana ary Sela; ireo telo ireo no naterak'i Batsoa Kananita taminy. Ary ratsy fanahy teo imason'i Jehovah Era, lahimatoan'i Joda, dia nahafaty azy Jehovah.
4. Ary Tamara vinantoni-vavy niteraka an'i Fareza sy Zera taminy. Dimy no zanakalahin'i Joda rehetra.
5. Ny zanakalahin'i Fareza dia Hezrona sy Hamola.
6. Ary ny zanakalahin'i Zera dia Zimry sy Etana sy Hemana sy Kalkola ary Dara; dimy lahy no isany.
7. Ary ny zanakalahin'i Karmy dia Akara, izay nampidi-doza tamin'ny Isiraely, dia ilay nandika ny didy ny amin'ny zavatra voaozona.
8. Ary ny zanakalahin'i Etana dia Azaria.