1 Tantara 2:28-39 Malagasy Bible (MG1865)

28. Ary ny zanakalahin'i Onama dia Samay sy Jada. Ary ny zanakalahin'i Samay dia Nadaba sy Abisora.

29. Ary ny anaran'ny vadin'i Abisora dia Abihaila; ary izy niteraka an'i Abana sy Molida taminy.

30. Ary ny zanakalahin'i Nadaba dia Saleda sy Apaima; fa maty momba Saleda.

31. Ary ny zanakalahin'i Apaima dia Jisy Ary ny zanakalahin'i Jisy dia Sesana. Ary ny zanakalahin'i Sesana dia Ahelay.

32. Ary ny zanakalahin'i Jada, rahalahin'i Samay, dia Jatera sy Jonatana; nefa maty momba Jatera.

33. Ary ny zanakalahin'i Jonatana dia Paleta sy Zaza. Ireo no zanakalahin'i Jeramela.

34. Ary Sesana tsy nanana zanakalahy, fa vavy avokoa. Ary Sesana nanana mpanompo Egyptiana, Jara no anarany.

35. Ary ny zananivavy nomen'i Sesana ho vadin'i Jara mpanompony; ary izy niteraka an'i Atahy taminy.

36. Ary Atahy niteraka an'i Natana; ary Natana niteraka an'i Zabada;

37. ary Zabada niteraka an'i Efiala; ary Efiala niteraka an'i Obeda;

38. ary Obeda niteraka an'i Jeho; ary Jeho niteraka an'i Azaria;

39. ary Azaria niteraka an'i Haleza; ary Haleza niteraka an'i Elasa;

1 Tantara 2