10. ary Rama niteraka an'i Aminadaba; ary Aminadaba niteraka an'i Nasona, lohan'ny taranak'i Joda;
11. ary Nasona niteraka an'i Salma; ary Salma niteraka an'i Boaza;
12. ary Boaza niteraka an'i Obeda; ary Obeda niteraka an'i Jese;
13. ary Jese niteraka an'i Eliaba, lahimatoa, sy Abinadaba, lahiaivo, sy Simea, fahatelo,
14. sy Netanela, fahefatra, sy Raday, fahadimy,
15. sy Ozema, fahenina, ary Davida, faralahy;
16. Zeroba sy Abigaila no anabaviny; ary telo ny zanakalahin'i Zeroia, dia Abisay sy Joaba ary Asahela;
17. ary Abigaila niteraka an'i Amasa; ary Jitra Isimaelita no rain'i Amasa.
18. Ary Kaleba, zanakalahin'i Hezrona, niteraka tamin'i Azoba vadiny sy tamin'i Jeriota. Izao no zanakalahin'i Azoba: Jasera sy Sobaba ary Ardona.
19. Ary nony maty Azoba, dia Efrata no nalain'i Kaleba ho vadiny, ary izy niteraka an'i Hora taminy;
20. ary Hora niteraka an'i Ory; ary Ory niteraka an'i Bezalila.
21. Ary nony afaka izany, Hezrona niray tamin'ny zanakavavin'i Makira, rain'i Gileada, izay novadiny rehefa enim-polo taona izy, dia niteraka an'i Segoba taminy ravehivavy;
22. ary Segoba niteraka an'i Jaira, izay nanana tanĂ na madinika telo amby roa-polo tany amin'ny tany Gileada.