1 Tantara 2:1-15 Malagasy Bible (MG1865)

1. Izao no zanakalahin'Isiraely: Robena sy Simeona sy Levy sy Joda sy Isakara sy Zebolona

2. sy Dana sy Josefa sy Benjamina sy Naftaly sy Gada ary Asera.

3. Ny zanakalahin'i Joda dia Era sy Onana ary Sela; ireo telo ireo no naterak'i Batsoa Kananita taminy. Ary ratsy fanahy teo imason'i Jehovah Era, lahimatoan'i Joda, dia nahafaty azy Jehovah.

4. Ary Tamara vinantoni-vavy niteraka an'i Fareza sy Zera taminy. Dimy no zanakalahin'i Joda rehetra.

5. Ny zanakalahin'i Fareza dia Hezrona sy Hamola.

6. Ary ny zanakalahin'i Zera dia Zimry sy Etana sy Hemana sy Kalkola ary Dara; dimy lahy no isany.

7. Ary ny zanakalahin'i Karmy dia Akara, izay nampidi-doza tamin'ny Isiraely, dia ilay nandika ny didy ny amin'ny zavatra voaozona.

8. Ary ny zanakalahin'i Etana dia Azaria.

9. Ary ny zanakalahin'i Hezrona izay naterany dia Jeramela sy Rama ary Kelobay;

10. ary Rama niteraka an'i Aminadaba; ary Aminadaba niteraka an'i Nasona, lohan'ny taranak'i Joda;

11. ary Nasona niteraka an'i Salma; ary Salma niteraka an'i Boaza;

12. ary Boaza niteraka an'i Obeda; ary Obeda niteraka an'i Jese;

13. ary Jese niteraka an'i Eliaba, lahimatoa, sy Abinadaba, lahiaivo, sy Simea, fahatelo,

14. sy Netanela, fahefatra, sy Raday, fahadimy,

15. sy Ozema, fahenina, ary Davida, faralahy;

1 Tantara 2