1 Tantara 19:15-19 Malagasy Bible (MG1865)

15. Ary nony hitan'ny taranak'i Amona fa nandositra ny Syriana, dia mba nandositra niala teo anoloan'i Abisay, rahalahin'i Joaba, koa izy ka niditra tao an-tanĂ na. Ary dia tonga tany Jerosalema Joaba.

16. Ary nony hitan'ny Syriana fa resy teo anoloan'ny Isiraely izy, dia naniraka olona izy haka ny Syriana izay tany an-dafin'ny Ony; ary Sobaka, komandin'ny miaramilan'i Hadarezera, no nitarika azy.

17. Ary nony nambara tamin i Davida izany, dia namory ny Isiraely rehetra izy ka lasa nita an'i Jordana, dia tonga teo aminy ka nilahatra hiady aminy. Ary nony nilahatra hiady amin'ny Syriana Davida, dia niady taminy ireo.

18. Fa vaky nandositra teo anoloan'ny Isiraely ny Syriana, ka nahafaty ny teo amin'ny kalesy fito arivo sy miaramila an-tongotra efatra alina tamin'ny Syriana Davida; ary matiny koa Sobaka, komandin'ny miaramila.

19. Ary nony hitan'ireo nanoa an'i Hadarezera fa resy teo anoloan'ny Isiraely izy, dia nanao fihavanana tamin'i Davida izy ka nanompo azy; ary tsy nety nanampy ny taranak'i Amona intsony ny Syriana.

1 Tantara 19