11. Ary ny olona sisa kosa nomeny ho entin'i Abisay rahalahiny, ka dia nilahatra hiady amin'ny taranak'i Amona ireo.
12. Ary hoy Joaba: Raha tsy tohako ny Syriana, dia vonjeo aho; fa raha tsy tohanao kosa ny taranak'i Amona, dia hovonjeko ianao;
13. mahereza, ary aoka hitombandahy isika ho an'ny firenentsika sy ireo tanànan'Andriamanitsika; ary aoka Jehovah hanao izay sitrapony.
14. Ary nandroso hiady tamin'ny Syriana Joaba sy ny olona nanaraka azy; ka dia nandositra niala teo anoloany ireo.
15. Ary nony hitan'ny taranak'i Amona fa nandositra ny Syriana, dia mba nandositra niala teo anoloan'i Abisay, rahalahin'i Joaba, koa izy ka niditra tao an-tanàna. Ary dia tonga tany Jerosalema Joaba.
16. Ary nony hitan'ny Syriana fa resy teo anoloan'ny Isiraely izy, dia naniraka olona izy haka ny Syriana izay tany an-dafin'ny Ony; ary Sobaka, komandin'ny miaramilan'i Hadarezera, no nitarika azy.
17. Ary nony nambara tamin i Davida izany, dia namory ny Isiraely rehetra izy ka lasa nita an'i Jordana, dia tonga teo aminy ka nilahatra hiady aminy. Ary nony nilahatra hiady amin'ny Syriana Davida, dia niady taminy ireo.