1 Tantara 18:2-10 Malagasy Bible (MG1865)

2. Ary nandresy ny Moabita koa izy, ka dia tonga mpanompon'i Davida nandoa hetra ireo.

3. Dia resin'i Davida koa Hadarezera, mpanjakan'i Zoba akaikin'i Hamata, tamin'izy lasa nampiorina ny fanjakany teo amoron'ny ony Eofrata.

4. Ary Davida nahazo babo kalesy arivo taminy sy mpitaingin-tsoavaly fito arivo ary miaramila an-tongotra roa alina; ary notraingotraingoin'i Davida avokoa ny soavalin-kalesy rehetra, fa ny tokony ho amin'ny kalesy zato ihany no navelany.

5. Ary nony tonga ny Syriana avy any Damaskosy hanampy an'i Hadarezera, mpanjakan'i Zoba, dia nahafatesan'i Davida olona roa arivo sy roa alina ny Syriana.

6. Ary nisy namponenin'i Davida tany Syria any Damaskosy; dia tonga mpanompon'i Davida ny Syriana ka nandoa hetra. Fa Jehovah nampahery an'i Davida teny amin'izay rehetra nalehany.

7. Ary nalain'i Davida ny ampinga volamena teny amin'ny mpanompon'i Hadarezera ka nentiny nankany Jerosalema.

8. Ary tao Tibata sy Kona, tanĂ nan'i Hadarezera, no nahazoan'i Davida babo varahina be dia be, ary izany no nanaovan'i Solomona ilay tavin-drano varahina lehibe sy ny andry ary ny fanaka varahina.

9. Ary nony ren'i Toy, mpanjakan'i Hamata, fa Davida efa naharesy ny miaramila rehetra an'i Hadarezera, mpanjakan'i Zoba,

10. dia naniraka an'i Hadorama zanany hankany amin'i Davida mpanjaka izy hiarahaba sy hisaotra azy noho ny niadiany tamin'i Hadarezera sy ny nahareseny azy (fa Hadarezera dia fahavalon'i Toy), sady nampitondrainy fanaka volamena sy volafotsy ary varahina izay samy maro karazana izy.

1 Tantara 18