1. Ary nony afaka izany, dia nandresy ny Filistina Davida ka nampietry azy, ary Gata sy ny zana-bohiny dia nesoriny tamin'ny tanan'ny Filistina.
2. Ary nandresy ny Moabita koa izy, ka dia tonga mpanompon'i Davida nandoa hetra ireo.
3. Dia resin'i Davida koa Hadarezera, mpanjakan'i Zoba akaikin'i Hamata, tamin'izy lasa nampiorina ny fanjakany teo amoron'ny ony Eofrata.
4. Ary Davida nahazo babo kalesy arivo taminy sy mpitaingin-tsoavaly fito arivo ary miaramila an-tongotra roa alina; ary notraingotraingoin'i Davida avokoa ny soavalin-kalesy rehetra, fa ny tokony ho amin'ny kalesy zato ihany no navelany.