9. Ary hifidy tany ho an'ny Isiraely oloko Aho sady hamponina azy, ka dia handry fahizay amin'ny fonenany izy ka tsy hanana ahiahy intsony, ary ny zanaky ny faharatsiana tsy hampahory azy intsony tahaka ny tany aloha
10. sy tahaka ny hatramin'ny andro nanendreko mpitsara ho mpifehy ny Isiraely oloko. Ary haetriko avokoa ny fahavalonao rehetra. Ary ambarako aminao koa fa Jehovah hanome taranaka anao.
11. Ary rehefa tapitra ny andronao, ka lasa any amin'ny razanao ianao, dia hatsangako ny zanakao anankiray mandimby anao, izay isan'ny terakao; ary hampitoeriko ny fanjakany;
12. dia io no hanao trano ho Ahy, ary Izaho kosa hampitoetra ny seza fiandrianany ho mandrakizay.
13. Izaho ho rainy, ary izy ho zanako; ary tsy hanaisotra ny famindram-poko aminy Aho, tahaka ny nanesorako izany tamin'ilay nodiasanao;
14. fa hampitoeriko ao an-tranoko sy ao amin'ny fanjakako mandrakizay izy; ary hampitoerina mandrakizay ny seza fiandrianany.
15. Araka izany teny rehetra izany sy araka izao fahitana izao no nolazain'i Natana tamin'i Davida.
16. Ary Davida mpanjaka niditra ka nipetraka teo anatrehan'i Jehovah, dia nanao hoe: Zinona moa aho, Jehovah Andriamanitra ô? Ary zinona moa ny mpianakaviko, no nentinao ambaraka ankehitriny aho?
17. Ary mbola nataonao ho zavatra kely ihany aza izany, Andriamanitra ô; fa, indro, efa voalazanao koa ny amin'ny taranaky ny mpanomponao hatramin'ny mbola any aoriana lavitra aza, ary nitsinjo ahy araka ny fanaon'ny olona Hianao, Jehovah Andriamanitra ô, ka nanandratra ahy.
18. Inona intsony no holazain'i Davida aminao ny amin'ny voninahitra omena ny mpanomponao? fa Hianao no mahalala ny mpanomponao.
19. Jehovah ô, noho ny amin'ny mpanomponao sy araka ny sitraponao no nanaovanao io zavatra lehibe io, mba hampiharihariana ireo zavatra lehibe rehetra ireo.
20. Jehovah ô, tsy misy tahaka Anao, ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Hianao, araka izay rehetra ren'ny sofinay.