1 Tantara 17:1-13 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary Davida, raha nipetraka tao an-tranony, dia nanao tamin'i Natana mpaminany hoe: Akory izato izaho mitoetra amin'ny trano sedera, nefa ny fiaran'ny neken'i Jehovah kosa mitoetra ao anaty lay!

2. Ary hoy Natana tamin'i Davida: Ataovy izay rehetra ao am-ponao, fa Andriamanitra no momba anao.

3. Nefa tamin'ny alin'iny ihany dia tonga tamin'i Natana ny tenin'Andriamanitra nanao hoe:

4. Andeha, lazao amin'i Davida mpanompoko hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Tsy ianao no hanao trano hitoerako;

5. fa tsy mbola nitoetra an-trano Aho hatramin'ny nitondrako ny Isiraely niakatra ka mandraka androany, fa nifindrafindra toby sy nifindrafindra toerana.

6. Ary tamin'izay rehetra nifindrafindrako niaraka tamin'ny Isiraely moa nisy nitenenako akory va ny mpitsaran'ny Isiraely, izay notendreko ho mpiandry ny oloko, ka nanaovako hoe: Nahoana no tsy nanao trano sedera ho Ahy ianareo?

7. Koa lazao amin'i Davida mpanompoko hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Izaho no naka anao tany an-tsaha, dia avy tamin'ny niandrasanao ondry, mba ho mpanapaka ny Isiraely oloko.

8. Ary nomba anao tamin'izay rehetra nalehanao Aho, ka naringako tsy ho eo anoloanao ny fahavalonao rehetra, ary homeko anarana tahaka ny anaran'izay lehibe ambonin'ny tany ianao.

9. Ary hifidy tany ho an'ny Isiraely oloko Aho sady hamponina azy, ka dia handry fahizay amin'ny fonenany izy ka tsy hanana ahiahy intsony, ary ny zanaky ny faharatsiana tsy hampahory azy intsony tahaka ny tany aloha

10. sy tahaka ny hatramin'ny andro nanendreko mpitsara ho mpifehy ny Isiraely oloko. Ary haetriko avokoa ny fahavalonao rehetra. Ary ambarako aminao koa fa Jehovah hanome taranaka anao.

11. Ary rehefa tapitra ny andronao, ka lasa any amin'ny razanao ianao, dia hatsangako ny zanakao anankiray mandimby anao, izay isan'ny terakao; ary hampitoeriko ny fanjakany;

12. dia io no hanao trano ho Ahy, ary Izaho kosa hampitoetra ny seza fiandrianany ho mandrakizay.

13. Izaho ho rainy, ary izy ho zanako; ary tsy hanaisotra ny famindram-poko aminy Aho, tahaka ny nanesorako izany tamin'ilay nodiasanao;

1 Tantara 17